Fanokafana ny Taom-pibeazana sy Fampianarana 2022 -2023
Notanterahina tany Antsampandrano ny Alahady 16 oktobra 2022 ny fanokafana ny taom-pibeazana sy fampianarana vaovao 2022-2023 eo anivon’ny sekoly katolika eto amin’ny Diosezy Antsirabe. Notokanana ihany koa ny fotodrafitrasa vao naorina any an-toerana. Nitarika ny fankalazana tany an-toerana ny Administratera Diosezanina, i Mompera ANDRIANANDRAINY Jeannot Martial. Ny talen’ny Fanabeazana katolika, i Mompera RANDRIANAIVOZAKA Jean Clément Sylvestre, sy ny ekipany ary ny inspektera kosa no niandraikitra ny fandraisana sy ny fanomanana ary ny fanatanterahana ny lanonana rehetra. Antsampandrano dia distrika vaovao manelanelana an’Ambohitompoina sy Soanindrariny ary Soamananazy. Mirary fahombiazana sahady ho an’ny Mpianatra sy ny Mpanabe-Mpampianatra ary ny Mpiandraikitra sy ny Ray aman-dreny izahay eto amin’ny Radio Haja Antsirabe. ASF












